1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.

2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. 

4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tannan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.

5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.

6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.

7 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. 

8 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana et? an-tany;

9 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo.

10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.

11 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
